Acts 24

1Taorian’ny dimy andro, Ananiasy ilay mpisorona be, ireo loholona sasany, ary mpikabary antsoina hoe Tertylo dia nandeha tany. Ireo lehilahy ireo dia nitondra fiampangana an’i Paoly teo anoloan’ny governora. 2Rehefa nitsangana teo anoloan’ny governora i Paoly, dia nanomboka niampanga azy i Tertylo ka niteny tamin’ny governora hoe: “Noho ianao dia manana fiadanana lehibe izahay, ary ny fahitanao dia mitondra fanovana tsara eo amin’ny firenenay; 3koa am-pankasitrahana tanteraka no handraisanay ny zavatra rehetra izay ataonao, ry Feliksa tsara indrindra.

4Mba tsy hitazomako anareo ela loatra, dia mangataka fotoana fohy aminareo aho mba hihaino ahy am-pahatoniana. 5Fa io lehilahy io dia hitanay fa mpanakorontana ary iray izay nitarika ny Jiosy rehetra manerana izao tontolo izao hikomy. Izy no mpitarika ny sekta Nazareana. 6Ary izy ihany koa no niezaka ny handoto ny tempoly, ka dia nosamborinay izy. (Fanamarihana: Ireo antontan-taratasy taloha dia nanampy hoe: “Tianay ho tsaraina araka ny lalànay izy.”)

7(Fanamarihana: Ireo antontan-taratasy taloha dia ahitana ao amin’ny andininy faha 7 hoe: ‘’Fa Lysia, mpiandraikitra, tonga ary naka azy an-keriny teo an-tananay.”) 8Rehefa manontany an’i Paoly mikasika ireny zava-drehetra ireny ianao, dia ho fantatrao ny mikasika ireny fiampangana nataonay momba azy ireny.” (Fanamarihana: Ireo antontan-taratasy taloha dia nanampy ao amin’ny tapany voalohany amin’ny andininy faha 8 hoe: “Nandefa anay teo aminao.”) 9Ireo Jiosy ihany koa dia nanampy trotraka ireny fiampangana ireny, ary nanamafy fa marina avokoa ireny.

10Fa rehefa notondroin’ny mpanapaka hiteny i Paoly, dia namaly Paoly hoe: “Fantatro fa ianao dia efa mpitsara teto amin’ity firenena ity nandritry ny taona maro, ka dia faly ny tenako manazava aminao. 11Ho fantatrao fa tsy mbola nihoatra ny roa ambin’ny folo andro izay no niakarako nidera tany Jerosalema. 12Rehefa hitan’izy ireo tao an-tempoly aho, dia tsy niady hevitra na tamin’iza na tamin’iza aho, ary tsy namporisika ny vahoaka, na tao amin’ireo synagoga, na tao an-tanàna. 13Tsy afaka manaporofo aminao ireo fiampangana izay ataony amiko ankehitriny izy ireo.

14Saingy izaho manaiky izao aminao, araka ny Fampianarana izay antsoin’izy ireo hoe sekta, dia toy izany koa no hanompoko ny Andriamanitry ny razambentsika. Izaho dia mahatoky amin’ny rehetra izay ao amin’ny lalàna sy ireo voasoratr’ireo mpaminany. 15Manana ny fahatokisana an’Andriamanitra toy ireo olona ireo aho, fa hisy ny fitsanganan’ny marina sy ny ratsy fanahy amin’ny maty. 16Noho izany aho dia miezaka mandrakariva mba hanana fisainana madio eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olombelona.

17Ary taorian’ny taona maro dia tonga aho hitondra fanampiana ho an’ny fireneko sy fanomezana ara-bola. 18Rehefa vitako izany, nisy Jiosy vitsivitsy avy any Asia nahita ahy tany amin’ny fetin’ny fanadiovana tao amin’ny tempoly, tsy niaraka tamin’ny vahoaka na tabataba. 19Ireo olona ireo dia tokony ho eo anatrehanareo ankehitriny ka hiteny izay hiampangan’ izy ireo ahy, raha manana zavatra izy ireo.

20Na koa, ireo olona ireo ihany no tsy tokony hiteny izay hitan’izy ireo tsy mety aty amiko rehefa nitsangana teo anoloan’ny filan-kevitry ny Jiosy aho, 21raha tsy hoe momba ny zavatra iray izay nihikiako rehefa nijoro teo anivon’izy ireo aho: ‘Izany dia mikasika ny fitsanganan’ny maty izay hitsarana ahy eto anatrehanareo androany.’

22Ary Feliksa, izay nampahafantarina tsara momba ilay Fampianarana. Izy dia niteny hoe: “Rehefa midina avy any Jerosalema i Lysia mpandidy, dia hanapa-kevitra ny amin’ny raharahanao aho.” 23Avy eo izy nandidy ilay kapiteny fa i Paoly dia tokony hambenana, fa mba hisy fahafahana dia tsy hisy amin’ireo namany ho sakanana amin’ny fanampiana izay zavatra ilainy.

24Andro vitsivitsy taorian’izay, dia niverina niaraka tamin’i Drosila vadiny i Feliksa, izay vehivavy Jiosy, ka nalefa ho an’i Paoly izy ary naheno taminy momba ny finoana ao amin’i Kristy Jesosy. 25Fa rehefa niady hevitra niaraka taminy i Paoly momba ny fahamarinana, fahononan-tena, sy ny fitsarana ho avy, dia lasa raiki-tahotra i Feliksa ka niteny hoe: “Mandehana manomboka izao. Fa rehefa manana fahafahana aho aoriana ao, dia handefa ho anao.”

26Nandritr’izany fotoana izany ihany, dia nanantena izy fa hanome vola azy i Paoly, noho izany dia nandefa ho azy matetika izy ary niresaka taminy. Fa rehefa afaka roa taona, dia lasa governora nandimby an’i Feliksa i Porsio Festosy, saingy Feliksa te hahazo sitraka tamin’ireo Jiosy, dia navelany ho hambenana ihany i Paoly.

27

Copyright information for PltULB